Ny Rôzery iombonan’ny Ekipa
Ny Evanjely miaraka amin’i Maria
Ny fitiavana ihany ao amin’ ny finoana sisa, no afahan’ i Jesoa mampanjaka ny fiainana ao anatintsika, ary tsy ho antsika irery fa ho an’ ny olon-drehetra. Izany no fototry ny fanantenantsika.
Tarihin’ ny Fanahy Masina ny Fiangonana hisarika ny olon-drehetra hiditra ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izay nosokafan’ i Jesoa tamin’ ny namoizany ny ainy teo amin’ ny hazo fijaliana.
Tsapako hatrany ny herin’ ny Fanahy Masina isaky ny mamangy ny Ekipan’ ny Rôzery aho. Fa amafisiny ihany ny hafatra:”Aoka ho misionera ianareo any amin’ ny sehatra misy anareo fa indrindra aza adino ny mahantra, ny vahiny, ny traboina tsy misy mpanampy. Manangàna ekipa afaka hizara am-pirahalahiana.”Isika dia mahalala fa niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana, satria tia rahalahy”(1 Jn 3,14).
Izany no fanantenana mavitrika iainan’ ny Ekipan’ ny Rôzery eran-tany.
Fr. Gilles DANROC, o.p.,
Aumônier International
Équipes du Rosaire International
11 rue du Bois de la Chaînée
F-37530 SAINT OUEN LES VIGNES
FRANCE
Équipes International|